top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


Alahadin'ny Pastora PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Webmaster   
Lundi, 04 Janvier 2021 15:40

Tompoko,

Miarahaba antsika mpianakavin’ny finoana amin’ny anaran’i Jesosy,

« Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » Asan'ny Apostoly20:35.
Izany no teny faneva amin'ny Alahadin'ny Pastora izay hotanterahantsika eto amin'ny fiangonantsika.

Ny Alahadin'ny Pastora dia fotoana iray ao anatin’ny taona hahatsiarovantsika ny Ray aman-dRenitsika ara-panahy izay nofidian'Andriamanitra hitory sy hizara ny tenin'Andriamanitra ho antsika ka tokony ho tsarovatsika araka ny TeniNY ao amin'ny Hebreo13:7.

Araka ny fanapahan-kevitra noraisina teo amin'ny fivorian'ny Komity sy taorian'ny filazan-draharaha ny Alahady20Desambra2020 lasa teo dia indro efa voasokatra ny CAGNOTTE LEETCHI izay natokantsika ho an'ny Alahadin'ny Pastora Mpitondra Fitandremana Paris RAHARIJAONARIVELO Edmond mivady;
Cagnotte izay misokatra manomboka izao ka hatramin'ny Alahady24Janoary2020, hahafahantsika manolotra izay foitsika.
Ity ny Lien: https://www.leetchi.com/c/dimanche-du-pasteur

Koa maneho fisaorana sahady ho amin'izay mety ho fahafoizanareo amin'ny fifaliana sy fitiavana tompoko.

Dia aoka samy hahatsiaro am-bavaka izany isika rehetra.

Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Amen!

Ny Pastora sy ny Komity FLMParis.

Mise à jour le Lundi, 04 Janvier 2021 15:44
 

Calendrier

Le mois dernier Avril 2024 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 14 1 2 3 4 5 6 7
week 15 8 9 10 11 12 13 14
week 16 15 16 17 18 19 20 21
week 17 22 23 24 25 26 27 28
week 18 29 30

bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .