top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


feed-image Feed Entries
Bienvenue !
L'Ecriture, la Grâce, la Foi
Lieu de Culte Août 2023 Envoyer
Écrit par Webmaster   

 
Fotoam-pivavahana Envoyer
Écrit par Webmaster   

Ry mpianakavin’ny finoana eto amin’ny FLM Paris.

Faly miarahaba anareo amin’ny anaran’i Jesosy Tompontsika.
Toy izao ny fandaharahana amin'ny fotoam-pivavahantsika : 

- Isaky ny Alahady voalohany sy faharoa
   11:30 amin'ny teny malagasy

- Isaky ny Alahady fahatelo sy fahaefatra : misy fidirana roa
   8:30 amin’ny teny frantsay.
   11:30 amin’ny teny malagasy.

* Ny alahady voalohany sy fahatelo : Fandraisana ny Fanasan'ny Tompo
** Ny alahady faharoa sy fahaefatra (ary faha-5 raha misy) : Asa sy Fampaherezana

Dia aoka samy hitondra am-bavaka izany isika rehetra.
Tahian’i Jesosy Tompo.
Pastora Edmond Raharijaonarivelo
========

Chère assemblée de la FLM Paris
Mes salutations au nom de notre Seigneur Jésus .
Voici les horaires de notre Culte :

- Premier et deuxième dimanche

  11:30 Culte en malagasy.

-Troisième et quatrième dimanche
  8:30 Culte en français
  11:30 Culte en malagasy.

*Premier et troisième dimanche : Sainte cène
** Deuxième et quatrième (et 5ème) dimanche : Asa sy Fampaherezana

Prions pour notre communauté.
Soyez bénis en Jésus Christ.
Pasteur Edmond Raharijaonarivelo

 
Firarian-tsoa 2023 Envoyer
Écrit par Pasteur   

« Raha velon’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy” (Gal. 5: 25).

 

Ry mpianakavin’ny finoana malala !
Hampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy an’Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika. Amena
Ary amin’ny alalan’ny Teny ( Gal. 5:25) etsy ambony no entinay mivady ho fiarahabana anareo tratry izao taona vaovao 2023 izao.

Lire la suite...
 
Zoom FLM Paris Envoyer
Écrit par Webmaster   

"Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra" Ohabolana 16:20

Nosokafana ny chaine Youtube "ZOOM FLM PARIS", mba hahafahantsika miverina mijery sy mihaino ireo Toriteny sy Fampianarana notsongaina nandritra ny fotoana niarahana tao amin'ny zoom.

Ny ekipa teknika. 

  

 
Fantaro ny FLM Envoyer
Écrit par Webmaster   

FIANGONANA LOTERANA MALAGASY - FLM -

Ny Fiangonana Loterana Malagasy dia mino sy manaiky ary mampianatra fa ny Soratra Masina dia ny Boky Kanonika ao amin'ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, no Teny nambaran'Andriamanitra.

Izany Soratra Masina izany no hany fototra iorenan'ny finoany sy ny fampianarany ary ny fiainany sy ny asany.

NY FLM dia mandray ho filazana fohy ny votoatin'ny fampianaran'ny Soratra Masina ny Boky Symbolika na Konfesionan'ny Fiangonana Loterana, dia :

1- Ny foto-pinoana eken'ny Fiangonana Kristiana eran'izao tontolo izao, "Symboles Oecumeniques", dia ny Fanekem-pinoana Apostolika sy Niseana ary Atanaziana.

2- Ny konfesiona tany Aogsborga, edisiona voalohany taona 1530, "Confessio Augustana Invaritia" sy ny Foto-pianarana Kely nataon'i Dr Martin Lotera.

Lire la suite...
 

Calendrier

Le mois dernier Septembre 2023 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 35 1 2 3
week 36 4 5 6 7 8 9 10
week 37 11 12 13 14 15 16 17
week 38 18 19 20 21 22 23 24
week 39 25 26 27 28 29 30

Connexion




bottom
top

Latest News

Popular


bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .