top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


FOTOAM-PIVAVAHANA PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Webmaster   
Samedi, 31 Octobre 2020 16:09

« Ireo dia hiady amin'ny Zanak'ondry, ary ny Zanak'ondry haharesy azy, satria Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky. »

Apok. 17:14

Ry fiangonana malala,

Miarahaba antsika amin'ny anaran’i Jesosy Tompo

Araka ny vaovao rentsika dia olona 30 ihany no afaka miangona mandritra ny volana novambra aloha, dia hita eo indray amin'ny desambra.

Noho izany, dia sarotra ihany ny hanavaka ireo olona 30, koa heverina fa fahendrena ny hanakatonana ny fiangonana aloha, fa hatao amin'ny zoom sy facebook ohatry ny teo aloha isaky ny alahady ny Fotoam-pivavahana.

Noho izany, dia mbola halefa amintsika mpianakavin’ny finoana ny lien Zoom sy ny ora fanombohana.

Ny fiaraha-mivavaky ny fiangonana dia isaky ny talata amin'ny 20h

Ny sampana FIFIL dia isaky sabotsy amin'ny 16h30

Ny fiaraha mivavaky ny sampana hafa sy ny faritra, dia halefa amintsika manaraka ihany.

Koa dia mangataka antsika mpianakavin’ny finoana samy hitondra sy hifampitondra ambavaka, fa mandalo andro sarotra isika amin'izao fotoana izao.

Jesosy hampahery sy hampijoro antsika olom-boafidy haharitra hatram’ny farany.

Mirary soa ho antsika rehetra. 

Ho Tahian’i Jesosy.

Ho aminareo ny fiadanana.

Pastora Raharijaonarivelo Edmond 

Mise à jour le Dimanche, 08 Novembre 2020 17:37
 

Calendrier

Le mois dernier Mars 2024 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 9 1 2 3
week 10 4 5 6 7 8 9 10
week 11 11 12 13 14 15 16 17
week 12 18 19 20 21 22 23 24
week 13 25 26 27 28 29 30 31

bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .