NOELY FAMPIHAVANANA |
Écrit par Pasteur |
Vendredi, 23 Décembre 2016 23:12 |
Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra ! Ary fiadanana ho ety ambon’ny tany amin’ny olona ankasitrahany. (Liok.2.14) Vanim-potoana hafa indrindra ny andro Noely na ny Krismasy, ary tena miavaka amin’ny fety rehetra izany. Azo lazaina fa tsy saina avy amin’ny olombelona ihany no nahatonga izao fankalazana ny Noely, fa misy fihevitr’Andriamanitra ihany koa, izay te hampatsiahy ny Fitiavany ka nanolorany antsika ilay fanomezan-dehibe, dia ny Zanany Lahy Tokana hamonjy izao tontolo izao, araka ny teny hoe : « Fa toy izao ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahy Tokana, mba tsy ho very, izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay ». (Jao 3.16)
Ny fahatongavan’i Jesosy Kristy Tompo, teto amin’izao tontolo izao, dia nampiova ary mampiova ny tantara ny zanak’olombelona. Raha mitoetra ao anatin’ny fahaverezana ny olona noho ny fahotany, dia nitady lalana Andriamanitra hanafaka azy tao amin’izany aizin’ny fahafatesena izany, ka ny Zanany no nalefany hamonjy ny olony, ka hoy indrindra ilay anjelin’ny Tompo tamin’izay «Aza matahotra, fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra, fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ….., dia Kristy Tompo ».(Liok 2.11). Nidina sy niditra teto amin’ny tantaran’ ny zanak’olombelona Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jesosy, Ilay Teny tonga nofo tamin’ny alalan’i Maria Virjina. « Imanoela », izay midika hoe « Andriamanitra amintsika », ka amin’izany indrindra no hanehoan’Andriamanitra ny faratampony amin’ny fitiavany, fa te hamerina ny fihavanany amin’ny olombelona Andriamanitra, «ka Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota mba hamonjy ny olona » (II Kor.5.21) Voninahitra any amin’ny Avo indrindra ho an’Andriamanitra ary fiadanana ho an’ny olona ankasitrahany . Amena ! Avia Jesosy Tompo ! |
Mise à jour le Samedi, 30 Décembre 2017 22:22 |