FANOKANANA FLM LE MANS Imprimer
Écrit par Pasteur   
Lundi, 27 Novembre 2017 18:11

F A N A S A N A

Am-pifaliana lehibe ry havana no ilazana amintsika mpianakavin’ny finoana, fa amin’ny Alahady 10 Desambra 2017 izao, no hanokanana ny Fiangonana Loterana Malagasy Le Mans.
Koa dia am-panajana feno ny ahazoanay, komity ny Fileovana Paris sy ny komity eto Le Mans, manasa anareo ho tonga hiaraka hivavaka sy hanome voninahitra an’Andriamanitra noho izany vanim-potoana lehibe izany.

Indro ny FANDAHARANA 

Ny Pastora Dr HABBERSTAD Rakotondrazaka, Filohan'ny Synodam-Paritany eto Eoropa no hitarika ny fanokanana. Ao amin’ny Eglise Saint Paul de Bellevue, rue du Luxembourg, 72190 COULAINES.
Manomboka amin’ny folo ora sy sasany [10:30] ny Fotoam-pivavahana.
Hisy fiaraha-misakafo hanasana ny rehetra. 
Dera, Laza, Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany. Amena !


Pastora Edmond RAHARIJAONARIVELO
Mpitondra Fileovana Paris

Mise à jour le Samedi, 30 Décembre 2017 16:13