top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


ADVENTO PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Pasteur Raharijaonarivelo Edmond   
Jeudi, 01 Décembre 2011 20:01

 Andro fiandrasana, fiomanana amin’ny fiavian’ny mpanjaka lehibe na olona manam-boninahitra  no hevitrin’ny teny hoe “Advento”. Ny Alahady efatra mialoha ny Krismasy no marihin’ny Fiangonana ho litorjia ny Advento izay iandrandrana fatratra ny fahatongavan’ny Krismasy, fahatsiarovana ny nahatongavan’Ilay Mpanjaka lehibe, dia Jesosy. 

Zava-dehibe tokony tsy hohadinontsika anefa, fa ny advento dia tena mampatsiahy antsika kristiana koa fa Jesosy dia mbola hiverina indray ary tokony hiomana mandrakariva isika. Hoy Jesosy:”…raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy?”(Lioka 18:8)

Noho izany dia tokony hiomana tokoa isika amin’ny fihavian’i Jesosy. Ho vonona mandrakariva, tahaka ireo virjina dimy hendry,  niambina ka naharitra mandra-pihavian’ny mpampakatra.
Eo anatrehan’izany dia tokony olona manao ahoana isika ? sao mandeha araka ny fanaon’izao tontolo izao, na variana amin’ity tany ity sy ny filany.
Koa ankehitriny dia mampiomana anao Jesosy amin’ny izao Advento izao, mba hiambenanao amin’ny fihaviany indray. Hoy Jesosy: “Miambena ka ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona”(Lioka 21:36).

 

Mise à jour le Samedi, 30 Décembre 2017 22:25
 

Calendrier

Le mois dernier Mai 2021 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 17 1 2
week 18 3 4 5 6 7 8 9
week 19 10 11 12 13 14 15 16
week 20 17 18 19 20 21 22 23
week 21 24 25 26 27 28 29 30
week 22 31

bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .