top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


Bienvenue ! Enseignements Edito HAFATRA PENTEKOSTA
HAFATRA PENTEKOSTA PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Pasteur   
Vendredi, 13 Mai 2016 17:09

 JESOSY IRERY IHANY
"Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay irahin’ny Ray amin’ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo." Jaona 14.26

Eo amin’ny Fiangonana kristianina dia misy vanim-potona telo lehibe izay ankalazaina :  voalohany dia ny Krismasy na Noely, ny faharoa dia ny Paska ary ny fahatelo farany dia ny Pentekosta, izay hankalazaintsika amin’izao.
Tsy tongatonga ho azy ireo vanim-potoana telo lehibe ireo fa azo ambara fa tena planin’Andriamanitra izay mifandrify indrindra amin’ny asa lehibe nataony ho famonjena ny olombelona.
Taratra teo amin’ny vanim-potoana ny krismasy fa ny Ray no naniraka ny Zanany lahy tokana, ka nahafoy ny sarobidy indrindra teo Aminy, hanehoany ny fara-tampony amin’ny fitiavany (Jao.3 :16).


Teo amin’ny vanim-potoana ny Paska, dia ny fitiavan-dehibe tamin’ny nanoloran’i Jesosy Kristy ny Tena aman-dRàny, nisolo ny mpanota rehetra ka hanolorany famelan-keloka ho an’izay rehetra mino Azy.  Nahafoy ny aina manontolo Izy mba ho fanavotana antsika (Efes 5 :2 ; Heb 2 :17).


Amin’izao vanim-potoanan'ny Pentekosta izao kosa dia tsahivina ny nidinan’ny Fanahy Masina, tonga nirahin’ny Ray sy ny Zanaka, hitari-dàlana ny olona ho amin’ny marina rehetra, dia ny amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, Ilay ivon’ny asa lehibe nataon’Andriamanitra. (Jao.14 :6)
Noho izany, ireo vanim-potona telo lehibe ireo dia maneho sy manambara amintsika ny amin’ny «TRINITE», Ireo Persona telo samihafa, nefa mikendry zavatra tokana dia ny famonjena ny olona mpanota izay very, ka mba hanany sy handovany fiainana mandrakizay, ary efa miatomboka amin’izao fiainana izao sahady.
Ny andro Pentekosta no asa farany ataon’Andriamanitra, ka izay manota amin’ny Fanahy Masina dia tsy misy famelan-keloka ho azy mandrakizay (Marka 3 :29), izany hoe mandà ny asany, izay mampihaiky heloka ny mpanota hibebahany ka hialàny amin’ny fahotana sy mandresy lahatra azy mba hino an’i Jesosy, handraisany famelan-keloka sy fanamarinana eo anatrehan’Andriamanitra.


Farany, ireto ny hafatra hosaintsainintsika mpino amin’izao andro farany izao :

1- "Aza manao izay mampalahelo ny Fanahy Masina" (Efs.4 :30),

2- "Aza mamono ny Fanahy Masina "(1 Tes.5 :19),

3- Dia mba ho toy ireo virjina dimy hendry nitandrina sy nikolokolo ny fanaovan-jirony sy ny afony (Mat. 25 :13).

Hoan’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra

Mise à jour le Vendredi, 13 Mai 2016 20:04
 

Calendrier

Le mois dernier Mars 2024 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 9 1 2 3
week 10 4 5 6 7 8 9 10
week 11 11 12 13 14 15 16 17
week 12 18 19 20 21 22 23 24
week 13 25 26 27 28 29 30 31

bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .