SAKAFO AGAPE : 11 janoary Imprimer
Écrit par Pasteur   
Vendredi, 10 Janvier 2020 20:05

JESOSY IRERY IHANY

" Miaraha mifaly amin'izay mifaly" (Rom. 12:15a)
" Mifalia mandrakariva ao amin'ny Tompo" ( Filip, 4:4)

Ry havana malala ao amin'ny Tompo

Ho ampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Fifaliana sy voninahitra ho anay eto amin'ny FLM Paris no manasa antsika rehetra amin'ny fiaraha-mikorana  sy sakafo "AGAPE". 

Asabotsy 11 Janoary 2020 amin'ny fito ora hariva (19h) 
7 rue, Marie Rose, 75014 Paris.

Atolotry ny Fiangonana am-pitiavana izany sakafo izany ho fiaraha-mifaly noho ny taona vaovao, hisaorana ny Tompo noho ny fahasoavany sy ny fitantanany antsika samy mbola velon'aina !  Ento ny havana aman-tsakaiza. Afaka mandray anjara manafana ny fotoana ireo izay mana-talenta amin'izany (Hira, tononkalo, ...). 
Tsy misy vidim-pidirana.

Dia manantena ny fahatongavanareo izahay. Samy ho tahian'ny Tompo ary mirary Taom-baovao feno fahasoavana ho antsika mianakavy.

Pastora Edmond Raharijaonarivelo
sy ny Komity FLM Paris

Mise à jour le Vendredi, 10 Janvier 2020 20:08