top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


Bienvenue ! Nouvelles Actualites FIFIL Tafika Masina Paris 17 sept.
Tafika Masina Paris 17 sept. PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Webmaster   
Lundi, 05 Septembre 2022 15:04

"Ny oloko marina, dia ho velon'ny finoana ; Fa raha mihemotra izy, dia tsy sitraky ny fanahiko" (Hebreo 10.38)

Ho an'ny Pastora, ny Katekista sy ny Fiangonana FLM Paris,

Jesosy irery ihany
Ry hava-malala ao amin'ny Tompo,

Hampitomboina ho anareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
Am-pifaliana indray no hanasana antsika hanatrilka ny Tafika Masina karakarain'ny FIFIL FILEOVANA PARIS, izay hatao eto Paris ny 17-18 Septambra 2022 ho avy izao.
- Ny Asabotsy faha 17 Septambra, ny fotoam-pivavahana amin'ny maraina dia hanomboka amin'ny 10 ora. Hisy ny Alitara sy Toriteny, arahina Fampianarana ho an'ny tanora izay mitondra ny Lohateny hoe :"L'éveil de l'amour chez les jeunes"
- Ny tolakandro kosa dia hisy ny Fampianarana ny bokin'ny Epistily ho an'ny Hebreo sy ny Fampianarana mitondra ny Lohateny hoe : "Ny Fifohazana mijoro amin'ny finoana hatramin'ny fahafatesana" (Hebreo 10.32-39).
Aorian'izay, dia hisy ny Asa sy Fampaherezana ary ny Fideràna an-kira hifandrombonan'ireo manan-talenta maro samihafa.

Koa dia manasa antsika rehetra tsy an-kanavaka ry havana hiaraka hihinanana izany sakafom-panahy isan-karazany, mamelon'aina izany, sy hitondra am-bavaka ny fotoana.
Asaina manokana ianareo tanora ho tonga maro, fa natokana ho anareo indrindra ny Fampianarana amin'ny Asabotsy maraina.

Ny fandaharam-potoana antsipiriany sy ny toerana dia mbola halefa amintsika tsy ho ela.

Ho aminareo anie ny fiadanan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Hoy Dr Lalao Rakotomahanina, Filoha FIFIL FILEOVANA PARIS sy ny Komity mpiara-miasa aminy.

Mise à jour le Vendredi, 02 Décembre 2022 18:59
 

Calendrier

Le mois dernier Mars 2024 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 9 1 2 3
week 10 4 5 6 7 8 9 10
week 11 11 12 13 14 15 16 17
week 12 18 19 20 21 22 23 24
week 13 25 26 27 28 29 30 31

bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .