

Médias
Les Branches
SAKAFO AGAPE : 11 janoary |
![]() |
![]() |
![]() |
Écrit par Pasteur |
Vendredi, 10 Janvier 2020 20:05 |
JESOSY IRERY IHANY " Miaraha mifaly amin'izay mifaly" (Rom. 12:15a) Ry havana malala ao amin'ny Tompo Ho ampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo. Fifaliana sy voninahitra ho anay eto amin'ny FLM Paris no manasa antsika rehetra amin'ny fiaraha-mikorana sy sakafo "AGAPE". Asabotsy 11 Janoary 2020 amin'ny fito ora hariva (19h) Atolotry ny Fiangonana am-pitiavana izany sakafo izany ho fiaraha-mifaly noho ny taona vaovao, hisaorana ny Tompo noho ny fahasoavany sy ny fitantanany antsika samy mbola velon'aina ! Ento ny havana aman-tsakaiza. Afaka mandray anjara manafana ny fotoana ireo izay mana-talenta amin'izany (Hira, tononkalo, ...). Dia manantena ny fahatongavanareo izahay. Samy ho tahian'ny Tompo ary mirary Taom-baovao feno fahasoavana ho antsika mianakavy. Pastora Edmond Raharijaonarivelo |
Mise à jour le Vendredi, 10 Janvier 2020 20:08 |
Calendrier
