top
logo

suivez-nous-sur-facebook.jpg

Médias


Bienvenue ! Enseignements Edito Hafatry ny Krismasy
Hafatry ny Krismasy PDF Imprimer Envoyer
Écrit par Pasteur   
Dimanche, 22 Décembre 2013 22:30

 Ry havana malala ao amin’nyTompo.  Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin’Andriamnitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompontsika. Amen!

« Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan'i Davida, dia Kristy Tompo. » (Lioka 2:11)

 Efa ho roa arivo  taona izao no nahatongavan’i  Jesosy teo an-tany ary tsy mbola lefy laza izany.

Mankalaza izany vanim-potoana izany izany tontolo izao, ary tanteraka amin’izany ny Tenin’i Jesosy manao hoe :« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Matio 24:14).

 

 

Jesosy no Filazantsara, tonga hamonjy sy hanavotra ny olona, hanafaka azy amin’ny fahotana sy ny fahafatesana ary koa hamaha azy amin’ny fatoran’i Satana. « ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy*; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany. [*Jesosy = Jehovah no Mpamonjy] » (Matio 1:21)

Noho izany dia androm-pahasoavana ny andro Krismasy na Noely, fa mpamonjy no teraka, ary  mitondra fifaliana lehibe ho an’ny rehetra araka ny fanambaran’ilay anjely tamin’izay hoe: « …Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra; » (Lioka 2:10).

 

Sady mankalaza ny nahatongavan’i Jesosy isika ary amin’izany koa no iandrandrantsika ny fiverenany indray amin’ny heriny sy ny  voninahiny Lehibe, ka amin’izay fotoana izay, dia tsy ho tonga hamonjy intsony Izy, fa ho tonga hitsara ny velona sy ny maty (fanekem-pinoana apostolika). “ fa avy any no hiaviny hitsara ny velona sy ny maty..”

Fa voasoratra hoe « …iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy... » (Asan'ny Apostoly 1:11)

 

Mbola ho avy indray Jesosy!!!

 

Sao dia variana amin’ny rendrarendra ivelany ny kristiana (sakafo be, fitafiana soa…), tsy ratsy akory izany, fa mila miambina isika. Aoka ny andro krismasy ho andro hifikirantsika mafy amin’ny finoana marina an’i Jesosy, ary koa fotoana anankiray himbanantsika ny andro hiverenany indray sy ahazoantsika miomana amin’izany.

 

Ho avy  tsy ho ela Jesosy, vonona amin’izany va ianao?

 

Hoy Jesosy: « Ary, Indro, avy faingana Aho; sambatra izay mitandrina ny tenin'ny faminaniana amin'ity boky ity. » (Apokalypsy 22:7)

 

Ary hoy koa Izy: « Indro, avy toy ny mpangalatra Aho. Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy, ka hita ny fahamenarany.» (Apokalypsy 16:15)

 

Ary raha vonona amin’izany ianao dia aoka sahy hiteny: avia Jesosy Tompo!

 

Io ry Havana no hafatra lehibe ho antsika amin’izao andro Krismasy na Noely izao.

 

« Voninahitra hoan’Andriamanitra Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina!

Ary fiadanana ho ety ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany » AMEN!

 

Edmond Raharijaonarivelo

Pastora FLM

Mise à jour le Dimanche, 21 Décembre 2014 18:55
 

Calendrier

Le mois dernier Mars 2024 Le mois prochain
L Ma Me J V S D
week 9 1 2 3
week 10 4 5 6 7 8 9 10
week 11 11 12 13 14 15 16 17
week 12 18 19 20 21 22 23 24
week 13 25 26 27 28 29 30 31

bottom

Copyright : FLM Paris 2011 - Joomla,ThemZa .